Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Genesisy 11:31 - Baiboly Katolika Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao. DIEM PROTESTANTA Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Tera nitondra an’i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. Malagasy Bible Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. La Bible en Malgache Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao. |
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta.
Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.
Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,
Moa nahavonjy azy va ny andriamanitr’ireo firenena noravan’ny razako, dia i Gôsàna, i Haràna, i Resefa, mbamin’ny taranak’i Edena, tany Telasara?
Ianao, ry Iaveh Andriamanitra, no nifidy an’i Abrahama, ka nitondra azy nivoaka avy any Ora any Kaldea, sy nanome anarana azy hoe Abrahama.
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako dia i Gôzàna, i Harama, i Resefa, ary ny taranak’i Edena, izay any Telasara?
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.