Genesisy 10:22 - Baiboly Katolika Zanak’i Sema: i Elama, i Asora, i Arfaksada, i Loda, ary i Arama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama, i Asira, i Arpaksada, i Loda ary i Arama. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama, i Asira, i Arpaksada, i Loda ary i Arama. |
Izao no taranak’i Sema: Efa zato taona i Sema, vao niteraka an’i Arfaksada, roa taona taorian’ny safodrano.
Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana.
Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.
Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»
I Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka, tamy izy mitondra kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly; ary Kira nanala fono ny ampingany.
ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.
ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;
Ao ry i Elama, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin’ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin’ny tanin’ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin’izay nidina any an-davaka.
ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely!
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia,