ny Aradianina, ny Semareanina, ary ny Amateanina. Ary nony tatỳ aoriana niely ny fokon’ny Kananeanina.
Genesisy 10:19 - Baiboly Katolika Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny sisintanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora ary Adma sy Zeboima. DIEM PROTESTANTA ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fari-tanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. Malagasy Bible Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. La Bible en Malgache Ny sisintanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora ary Adma sy Zeboima. |
ny Aradianina, ny Semareanina, ary ny Amateanina. Ary nony tatỳ aoriana niely ny fokon’ny Kananeanina.
Ireo no taranak’i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin’ny taniny sy any amin’ny fireneny avy.
dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany.
Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.
Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.
Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.
Hainao samborina va izy eny amin’ny taniny? Fantatrao va ny lalana eny amin’ny fonenany?
I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.
Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»
ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin’ny Otsa, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina, i Askalôna, i Gazà, i Akarôna, mbamin’ny sisa any Azota;
Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.
Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»
Ny Heveanina izay nonina tamin’ny vohitra hatrany Gazà koa, dia naringan’ny Kaftôrima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny.
Nony nomen’ny Avo indrindra zaratany ny firenena, nony natokotokony ny zanak’olombelona, dia nametra ny faritanin’ny vahoaka Izy; araka ny isan’ny zanak’i Israely.
Nitoby tandrifin’i Israely izy ireo, dia nandrava ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gazà; nataony mafafa mihitsy ny fiveloman’i Israely, na ondry, na ampondra,
ny toko iray nihazo ny lalana mankany Bety-Hôrôna; ary ny toko fahatelo, ny lalana mankany amin’ny faritany eo ambonin’ny lohasaha Seboima amin’ny ilan’ny efitra.