Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:4 - Baiboly Katolika

4 Nitoby tandrifin’i Israely izy ireo, dia nandrava ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gazà; nataony mafafa mihitsy ny fiveloman’i Israely, na ondry, na ampondra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gaza; tsy nisy zavatra navelany mba hiveloman’ny Israely, na ondry na osy na omby na boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Nitoby teo amin’ny sahan’ny Israelita ireny ka nanimba ny vokatry ny taniny hatrany Gazà, ary tsy nisy zavatra navelany hohanin’ny Israelita, tsy nisy navelany ho azy na ondry aman’osy na omby na boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nitoby teo amin’ny sahan’ny Israelita ireny ka nanimba ny vokatry ny taniny hatrany Gazà, ary tsy nisy zavatra navelany hohanin’ny Israelita, tsy nisy navelany ho azy na ondry aman’osy na omby na boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin’i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman’ny Isiraely, na ondry aman-osy, na omby, na boriky;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gaza; tsy nisy zavatra navelany mba hiveloman’ny Israely, na ondry na osy na omby na boriky.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.


Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.


Ny olo-mahantra mampahory ny malahelo, dia orana mivatravatra mahatonga mosary.


Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.»


dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.


Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra, na ny mpandroba alina - Endrey izany faharavanao! - moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany? Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao, moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?


Hamafy ianao, fa tsy hijinja; hamia ôliva ianao, fa tsy hihosotra diloilo; hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.


Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro.


Holaniny ny teraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalevona anao. Tsy misy hamelany ho anao, na vary, na divay vaovao, na diloilo, na teraky ny biby fiompinao, na lehibe na kely, mandra-pandringany anao.


Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra