Genesisy 10:18 - Baiboly Katolika ny Aradianina, ny Semareanina, ary ny Amateanina. Ary nony tatỳ aoriana niely ny fokon’ny Kananeanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny Arvadita ary ny Zemarita sy ny Hamatita; tatỳ aoriana dia niely ireo fokon’ny Kananita. DIEM PROTESTANTA ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita, Baiboly Protestanta Malagasy sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ny Kananita. Malagasy Bible sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita. La Bible en Malgache ny Arvadita ary ny Zemarita sy ny Hamatita; tatỳ aoriana dia niely ireo fokon’ny Kananita. |
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,
Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.
Ny olona avy any Babilôna nanao an’i Sokôta-Benôta, ny olona avy any Kota nanao an’i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an’i Asimà;
Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!
Tsy toa an’i Karkemisa va no nahazo an’i Kalnô, tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata? ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?
Ny mponina ao Sidona sy Arvada no mpivoy ho anao, ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira, no mpanamory ho anao.
ary koa ao Hamata, mifanolotra amin’i Damasa, sy ao Tira mbamin’i Sidona, satria be fahendrena izy.
avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;
Ary ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany dia: i Jerikô, i Bety-Heglà, i Eneka-Kaisy, i Bety-Arabà, i Samaraïma,