«Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»
Eksodosy 6:29 - Baiboly Katolika dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. DIEM PROTESTANTA dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao. Baiboly Protestanta Malagasy dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. Malagasy Bible dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. La Bible en Malgache dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. |
«Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»
Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»
Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.
Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.
Mandehana ianao mankany amin’ireo lasan-ko babo, dia any amin’ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo›, na hihaino izy ireo na tsy hihaino».
«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.