Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 5:22 - Baiboly Katolika

Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy niverina ho any amin’i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?

Jereo ny toko



Eksodosy 5:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»


fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»


Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany.


Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»


Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?


Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika, Nosamborinao, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan’andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra.


Ary hoy aho: «Indrisy, Iaveh Tompo ô, nofitahinao izany ity firenena ity, sy i Jerosalema, fony ianao nanao hoe: ‹Hahazo fiadanana ianareo›; kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!»


Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso.


Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?


Ary hoy i Jôsoe: «Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an’i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amôreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin’i Jordany ihany.


Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.