Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 5:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Mosesy niverina ho any amin’i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 5:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.


Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.


Any an-danitra, iza moa no ahy afa-tsy Ianao? Etỳ an-tany, inona indray no irîko fa efa manana Anao aho?


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan’andro sady fanebaky ny olona rehetra.


Dia hiteny ireny hoe: «Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, namitaka ity vahoaka ity sy namitaka an’i Jerosalema Ianao tamin’ny fampanantenana hoe fa hisy fiadanana ho antsika kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»


Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.


ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity?


Ary hoy i Josoa hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Nahoana moa izahay vahoakanao izao no nentinao nita an’i Jôrdàna? Mba hanoloranao anay ho eo an-tanan’ny Amôrita ka handringanana anay ve? Naleonay ihany nijanona tany an-dafin’i Jôrdàna!


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra