Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Eksodosy 40:16 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. DIEM PROTESTANTA Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO, Baiboly Protestanta Malagasy Dia nataon’i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony. Malagasy Bible Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony. La Bible en Malgache Dia nataon’i Mosesy izany, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy. |
Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin’ny taranany mandimby azy.»
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’i Eofrata izy, araka ny nandidian’i Iaveh ahy.
Nasain’i Môizy nanatona koa ireo zanak’i Aarôna dia nampiakanjoiny ny tonîka, nohetràny fehikibo, ary nafatony teo amin’ny mitra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan’ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
«Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo.
izay nahatoky an’Ilay nanendry Azy, tahaka an’i Môizy tao amin’ny tranony rehetra koa.
Ary i Môizy dia nahatoky tao amin’ny tranony rehetra toy ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina;