Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:13 - Baiboly Katolika

Raha efa izany dia hatafinao an’i Aarôna ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:13
13 Rohy Ifampitohizana  

«Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.


Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin’ny lohany hanosoranao azy.


Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny tonîka,


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.


Izany no nasain’i Iaveh nomen’ny zanak’i Israely azy ireo, hatramin’ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy aloa tsy tapaka hatrany amin’ny taranany.


Nasain’i Môizy nanatona koa ireo zanak’i Aarôna dia nampiakanjoiny ny tonîka, nohetràny fehikibo, ary nafatony teo amin’ny mitra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.


mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?


Fa ianareo kosa dia voahosotr’ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.


Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.