Eksodosy 40:13 - DIEM PROTESTANTA13 Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Raha efa izany dia hatafinao an’i Aarôna ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ary ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy. Jereo ny toko |
Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.