Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 4:14 - Baiboly Katolika

Dia nirehitra tamin’i Môizy ny fahatezeran’i Iaveh, ka hoy izy: «Tsy eo va i Aarôna rahalahinao, ilay levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rehefa mahita anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia tezitra tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: –Manana rahalahy ianao, dia i Aharôna levita. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia tezitra tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: –Manana rahalahy ianao, dia i Aharôna levita. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita* rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony.

Jereo ny toko



Eksodosy 4:14
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh ka nasian’Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan’ny Fiaran’Andriamanitra izy.


Dia tezitra tamin’i Salômôna i Iaveh noho ny nivilian’ny fony niala tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,


Tsy sitrak’Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny i Israely.


Dia nirahiny i Môizy mpanompony, sy i Aarôna olom-boafidiny.


Hoy anefa i Môizy: «Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao.»


Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tananao, fa iny no hanaovanao ny famantarana.»


Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.


Hoy izy ireo: «Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no nitenenan’i Iaveh? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va izy?»


Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:


dia tsy nandry ny fanahiko, satria tsy hitako tao i Tito rahalahiko; ka nanao veloma ny olona aho, dia lasa nankany Masedônia.


Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;


Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary raha efa izany dia nentiko nivoaka ianareo.


Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.


Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray tonga tao amin’i Helì ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Tsy efa niseho mazava tamin’ny ankohonan-drainao va Aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Faraôna?