Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:30 - Baiboly Katolika

Volamena madio no nanaovana ilay takelaka natao diadema masina, dia nosokirina teo, toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:30
11 Rohy Ifampitohizana  

«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.


ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Ribà jaky volomparasy no namehezana azy hametrahana azy amin’ny hamama avy ao ambony, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;


Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»