Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Volamena madio no nanaovana ilay takelaka natao diadema masina, dia nosokirina teo, toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:30
11 Rohy Ifampitohizana  

«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Dia nafatotra tamin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy teo ambonin’ny satroka fehiloha izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo mba hanompo an’Andriamanitsika sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra