«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Eksodosy 39:27 - Baiboly Katolika Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany. DIEM PROTESTANTA Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany. Malagasy Bible Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany. La Bible en Malgache Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany. |
«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Rehefa miditra ny alo-baravaran’ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon’ondry eny aminy, rehefa manao ny fanompoana eo amin’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo aminy, ary tsy hietra zava-mahatsemboka azy izy.
Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.
Nasain’i Môizy nanatona koa ireo zanak’i Aarôna dia nampiakanjoiny ny tonîka, nohetràny fehikibo, ary nafatony teo amin’ny mitra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka,
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.