Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:28 - Baiboly Katolika

28 ary hamama rongony sy mitra rongony ho fihaingoany, kalisaona fotsy rongony mihasina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary ny hamama dia na­taony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:28
11 Rohy Ifampitohizana  

Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.


Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehikibo.»


Ka izao no fanamiana hataon’izy ireo: saron-tratra iray, efôda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an’i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo.


«Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»


Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin’ny valahany ka hatreo amin’ny feny.


Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany;


ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ny fehiloha, fehitongotra amam-pehikibo,


Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe: Mipetraha ianareo amin’ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo.


Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo aminy, ary tsy hietra zava-mahatsemboka azy izy.


Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra