Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Lamba rongony fotsy madinika no nanaovany ny akanjo lava, asan’ny mpanenona, ho an’i Arona sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:27
14 Rohy Ifampitohizana  

«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.


Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.


Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.


Ary raha miditra ny vavahadin’ny kianja anatiny ny mpisorona, dia hitondra ny akanjo fanamiana fotsy. Tsy hitondra akanjo volonondry eny aminy izy mandritra ny anatanterahany ny asany ao an-kianja anatiny sy ao an-tempoly.


Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany ary kalisaona rongony fotsy no hanaovany. Tsy hitondra zavatra mamehifehy mahatsemboka azy izy.


Tsy hasiana leviora no hanendasana azy; satria izany anjara omeko ny mpisorona izany, dia ambin’ilay fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota sy tahaka ny ambin’ny sorom-panonerana.


Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanakalahin’i Aharôna ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetràny fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.


Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.


fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.


Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy.


Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra