Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 dia famohamandry sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.


Ny sarin’ampongabendanitra dia hifanelanelana amin’ny lakolosy kely.


Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.


Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy;


Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,


Toa ribà mena ny molotrao; ary mahafatifaty ny vavanao. Menamena toa hasin’ampongabendanitra ireo takolakao anatin’ny voalinao.


Menamena toa hasin’ampongabendanitra ireo takolakao anatin’ny voalinao.


Fa indro nisy vehivavy mitsi-dra efa nandritra ny 12 taona, nanatona an’i Jesoa avy eo ivoho ary nikasika ny somotraviavin-dambany;


Hasianareo sahondrany ny zorony efatra amin’ny lamba firakofanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra