Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra):

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra:

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.


Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia noravahana sarin’ampongabendanitra vita tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sy tamin’ny kiran-drongony mafy.


Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra