Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia noravahana sarin’ampongabendanitra vita tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sy tamin’ny kiran-drongony mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Teo amin’ny morontongotry ny akanjobe dia nasiany sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky voahasina;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia noravahana sarin’ampongabendanitra vita tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sy tamin’ny kiran-drongony mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ary ny moron-tongony nasiany ampongabendanitra jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary teo amin’ny morontongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin’ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Teo amin’ny morontongotry ny akanjobe dia nasiany sarin’ampongabendanitra miloko manga, volomparasy, jaky voahasina;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:24
5 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia horavahana sarin’ampongabendanitra vita amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.


Nasiana vavany teo afovoany mba hidiran’ny loha, ka notenomina sy nohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.


Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.


Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra