vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
Eksodosy 39:21 - Baiboly Katolika Dia nafehiny tamin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny masom-bolan’ny efôda ny masom-bolan’ny saron-tratra, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin’ny efôda ny saron-tratra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ny saron-tratra tamin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Kofehy manga no namehezany ny mason-drojon’ny saron-tratra tamin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo, dia araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.
Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin’ny sorony roa eo amin’ny efôda eo anoloany, akaikin’ny famatorana azy eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda.
Jaky volomparasy avokoa no nanaovana ny akanjo lavan’ny efôda, asan-tanan’ny mpanenona.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;