Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:20 - Baiboly Katolika

20 Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin’ny sorony roa eo amin’ny efôda eo anoloany, akaikin’ny famatorana azy eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:20
4 Rohy Ifampitohizana  

Havitrana ho iray ny ambainy dimy, dia havitrana ho iray koa ny ambainy dimy hafa.


Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.


Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anaty manolotra ny efôda.


Dia nafehiny tamin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny masom-bolan’ny efôda ny masom-bolan’ny saron-tratra, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin’ny efôda ny saron-tratra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra