Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin’ny sorony roa eo amin’ny efôda eo anoloany, akaikin’ny famatorana azy eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:20
4 Rohy Ifampitohizana  

Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.


Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.


Nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra manolotra ny efôda.


Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra