Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Eksodosy 28:8 - Baiboly Katolika

8 Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

8 Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Eksodosy 28:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy.

Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely:

Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.

Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Fahamarinana no hisikinan’ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehinkibony.

Ary i Aarôna nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, noetràny ny fehikibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efôda izay nogiaziny tamin’ny fehin’efôda, ary nafatony teo aminy.

Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.

Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra