Eksodosy 38:25 - Baiboly Katolika Ny volafotsy avy amin’ny olona voaisa tamin’ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina. DIEM PROTESTANTA Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: Malagasy Bible Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: La Bible en Malgache Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina. |
«Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy.
Horaisinao amin’ny zanak’i Israely ny vola avy amin’izany avotra izany ka hoenti-manao ny raharaha momba ny trano lay fihaonana. Dia ho antoka eo anatrehan’i Iaveh izany, ho an’ny zanak’i Israely hanavotana ny ainy.»
«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,
«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana amin’i Israely.»