Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ny volafotsy avy amin’ny olona voaisa tamin’ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:


–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.


Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.


–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,


–Manaova fanisàm-bahoaka isam-pianakaviana eo amin’ny Fiangonan’i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra