ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.
Eksodosy 34:12 - Baiboly Katolika Tandremo fandrao manao fanekem-pihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay ndeha hiadianao, sao zary fandrika eo afovoanao ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao ianao ka ho fandrika eo afovoanao izany. DIEM PROTESTANTA Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany. Baiboly Protestanta Malagasy Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao hianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. Malagasy Bible Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. La Bible en Malgache Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany izay halehanao ianao ka ho fandrika eo afovoanao izany. |
ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.
Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny;
dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.
dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;
mba tsy hampianarany anareo hanaraka ny fahavetavetana rehetra ataony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanota amin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.
Levòny ny vahoaka rehetra hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.»
ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.
Fa namaly ireto Heveanina ny lehilahy tamin’i Israely: «Sao dia monina eto aminay ihany ianareo, ka ahoana no hanaovanay fanekem-pihavanana aminareo?»
Hoy Aho taminareo: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amôreana, izay onenanareo ny taniny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo.»
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.