Eksodosy 34:10 - Baiboly Katolika
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Jereo ny toko
Ary hoy NY TOMPO: Indro ny tenako no manao fanekena ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany manontolo sy tany amin’ny Jentilisa rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’NY TOMPO, fa mahatahotra izay zavatra hataoko miaraka aminao.
Jereo ny toko
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany manontolo sy tamin’ny firenena rehetra; ho hitan’ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin’ny alalanao.
Jereo ny toko
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany manontolo sy tamin’ny firenena rehetra; ho hitan’ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin’ny alalanao.
Jereo ny toko
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany rehetra sy tany amin’ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ny fombako anao.
Jereo ny toko
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
Jereo ny toko
Ary hoy NY TOMPO: Indro ny tenako no manao fanekena ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany manontolo sy tany amin’ny Jentilisa* rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’NY TOMPO, fa mahatahotra izay zavatra hataoko miaraka aminao.
Jereo ny toko