3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.
3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina, tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny Anaranao, ka hangovitan’ny firenena eo anatrehanao,
Tamy avy any Temàna Andriamanitra, ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà). Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; ary nameno ny tany ny voninahiny.
Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.