Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 64:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola nisy nandre, na naheno, na nahita maso, izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy, afa-tsy Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 zavatra izay mbola tsy re tsaika akory! Tsy mbola nisy sofina nandre, tsy nisy maso nahita, izay andriamanitra hafa manao toy izany, ho an’ny manantena azy, afa-tsy Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy afa-tsy Hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola nisy nandre, na naheno, na nahita maso, izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy, afa-tsy Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 64:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Moa misy eto an-tany firenena tahaka an’i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin’ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin’ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an’ny taninao.


dia ireo zava-mahagaga tao amin’ny tanin’i Hama ary koa ireo zava-mahatalanjona teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara.


Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey mampitolagaga ny asanao! Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao, ka indro fa ikoizan’ny fahavalonao.


Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra; mitolagaga ny olombelona amin’ity ataony:


Andriamanitra ô, fony Ianao niainga mba hialoha ny vahoakanao ka namakivaky izany taniefitra, Fiatoana


Manaova voady amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, ary efao aminy izany; ianareo firenen-drehetra manodidina, mitondrà fanatitra ho an’ilay Andriamanitra mahatahotra;


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany manontolo sy tamin’ny firenena rehetra; ho hitan’ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin’ny alalanao.


Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.


Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,


Tonga avy any Temàna Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Paràna. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.


Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.


Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny.


Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra