Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 64:2 - DIEM PROTESTANTA

2 rehefa nanao zava-mahatahotra izay tsy nampoizinay akory Ianao. Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo ô, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Ianao dia nidina ka niempo teo anoloanao ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 rehefa nanao zava-mahatahotra izay tsy nampoizinay akory Ianao. Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo ô, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 amin’ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina; endrey raha midina Ianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!-

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, Dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 64:2
31 Rohy Ifampitohizana  

Nefa noho Izy Tompo dia novonjeny ny razanay mba hampahafantarany ny heriny lehibe.


ny ady ampitsahariny hatrany am-paran’ny tany, ny tsipîka sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan’ny afo.


Nahoana ny firenen-kafa no hanontany hoe: «Aiza àry izay Andriamanitrareo?» Aoka ho fantany sy hohitanay fa valianao ny ran’ireo mpanomponao izay novonoin’izy ireny ho faty!


dia ireo olona nilaza hoe: «Andeha halaina ho antsika ilay fonenan’Andriamanitra.»


Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO ô, aza avela hahery noho Ianao ny olona. Enga anie ireo hafa firenena hotsaraina eo anatrehanao!


Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny sezafiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.


Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.


Fa toy ny teo an-tendrombohitra Peratsima no hirotsahan’ny TOMPO an-tsehatra, ary toy ny tao amin’ny lemak’i Gibehôna no hihetsehany hanao ny asany sy hanatanteraka ny zavatra ataony. Kanefa asa hafa kely izany, zavatra tsy araka ny mahazatra.


Fa ankehitriny kosa, ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany no TOMPO.»


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»


Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.


Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely; ary rehefa izany no hataoko aminao, dia miomàna ianao hihaona amin’Andriamanitrao.»


miempo eo ambany tongony ny tendrombohitra tahaka ny savoka taninin’ny afo; ary loadoaka ny lohasaha tahaka ny rehefa misy riaka mivarimbarina eny an-kilahila.


Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.


Manomboka anio, dia hataoko mahazo ny firenena rehetra ambany lanitra ny horohoro sy tahotra anareo; ka vantany vao reny ny lazanareo, dia hangovitra sy hipararetra noho ny aminareo izy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra