Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 34:1 - Baiboly Katolika

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ireo vato fisaka teo aloha izay nopotehinao;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ianao hipaika vato fisaka roa tahaka ireo teo aloha dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ireo vato fisaka teo aloha izay nopotehinao;

Jereo ny toko



Eksodosy 34:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Iaveh ô, ny teninao, miorina mandrakizay any an-danitra.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»


Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka.


Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.


Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’i Iaveh tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’i Iaveh tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana dia ny Teny folo.


Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany i Môizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’i Iaveh azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.


Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.


Namoaka ny fanekeny izay nodidiany hotandremanareo Izy, dia ny Didy Folo; ary nosoratany tamin’ny takelaka vato roa izany.