ka hoy izy: «Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po i Abrahama tompoko.
Eksodosy 3:15 - Baiboly Katolika Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. DIEM PROTESTANTA Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby. Malagasy Bible Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. La Bible en Malgache Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. |
ka hoy izy: «Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po i Abrahama tompoko.
Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.
Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.
Fa Ianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay, ary velona amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.
Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao: Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana Anao.
Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amen! Amen!
I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?»
Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Fa namaly i Môizy ka nanao hoe: «Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao i Iaveh.»
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -
Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.
Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;
Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.
Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.»
Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.
‹Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba.› Tera-kovitra terỳ i Môizy ka tsy sahy nijery akory.
Enga anie, ka hampitomboin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ho inarivo tahaka izao ianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo.
Tsy hisy olona amin’ity taranaka ratsy ity, hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
«Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo.
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.