Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.
Eksodosy 3:13 - Baiboly Katolika Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka hiteny aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia hiteny amiko izy hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy? DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? Malagasy Bible Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? La Bible en Malgache Hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka hiteny aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia hiteny amiko izy hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy? |
Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.
Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»
ary ianao hilaza aminy hoe: ‹Avelao handeha ny vahoakako, hanompo Ahy any an’efitra. Ary indro fa mandrak’izao dia tsy nety nihaino ianao.
Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any? Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no mampiorina mafy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Mahalala izany va ianao?
Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin’izany andro izany, fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.
ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.»
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.
Ka hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Iza moa no anaranao; mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?»
Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;