Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 7:14 - Baiboly Katolika

14 Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy; ny anarany hataony hoe Imanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan-anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataony hoe Imanoela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy; ny anarany hataony hoe Imanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 7:14
29 Rohy Ifampitohizana  

Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.


Dia nanana anaka i Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: «Nitsinjo ny fahoriako i Iaveh ka ho tian’ny vadiko aho ankehitriny.»


Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»


Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana.


ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.


Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, ka hoy izy: «Nomen’Andriamanitra ny fara aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.»


Androtr’izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: «Izao no famantarana fa i Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny ôtely ary hiely ny lavenony eo amboniny.»


I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà


Ary izao no famantarana omen’i Iaveh ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin’i Iaveh izany teny nolazainy izany:


Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.


Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.


Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh: vehivavy hanodidina lehilahy.


Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.


Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.


Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»


Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany.


«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.


Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamban-jaza, sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo.»


Antsoin’i Davida hoe Tompo Izy, ka ahoana no maha-zanany Azy?


Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.


azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.


Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.


Dia hoy i Jedeôna tamin’i Iaveh: «Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an’i Israely, araka ny voalazanao,


Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.


Nataony hoe Ikabôda no anaran’ny zaza, fa hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra noho ny nahalasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra sy ny nahafatesan’ny rafozany sy ny vadiny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra