Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany; ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna, sy midina amin’ny sisin’akanjony.
Eksodosy 29:21 - Baiboly Katolika Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa. DIEM PROTESTANTA Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary analao ny ra, izay eo ambonin’ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany, ary amin’ny zanany sy amin’ny fitafian’ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ny zanany koa. Malagasy Bible Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa. La Bible en Malgache Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa. |
Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany; ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna, sy midina amin’ny sisin’akanjony.
«Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.
Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.
«Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io.
Ilay diloilo sisa eo an-tanany, dia hataon’ny mpisorona amin’ny lohan’ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh.
Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
izay vao namono azy i Môizy, dia naka tamin’ny rany, nanentenany ny tendron-dravintsofin’i Aarôna ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.
Dia nakan’i Môizy ny diloilo fanosorana sy ny ra teo ambonin’ny ôtely, nafafiny tamin’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ary tamin’ireo zanak’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa i Aarôna sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.