Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 29:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary analao ny ra izay eo ambonin’ny alitara sy ny diloilo fanosorana ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany ary amin’ireo zanany sy amin’ny fitafian’ireo zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ireo zanany sy ny fitafian’ireo zanany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary analao ny ra, izay eo ambonin’ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’i Arona sy amin’ny fitafiany, ary amin’ny zanany sy amin’ny fitafian’ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ny zanany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:21
16 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


«Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: –Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.


Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy, ary hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aharôna sy ny zanany, ary amin’ny ankiben-tongotra aman-tanany ankavanana avy; avy eo dia hafafinao amin’ny lafin’ny alitara ambony manodidina ny ra sisa.


Ny ondrilahy faharoa dia mariky ny fametrahana ny mpisorona amin’ny raharahany. Koa halainao ny hofany, ny sabora mandrakotra ny tsinainy sy ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, ary ny sorony havanana.


Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.


Ny menaka sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona kosa hararany amin’ny lohan’ilay diovina mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana azy eo anatrehan’ny TOMPO.


Ireny zavatra navahana avy amin’ny sorona nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO ireny no anjaran’i Aharôna sy ireo taranany amin’ny maha mpisorona azy, manomboka amin’ny andro nametrahana azy hanao ny fanompoana maha mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO.


Novonoin’i Mosesy io, ary nangalany ny rany ka nanentenany ny tendron’ny ravin-tsofin’i Aharôna ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana.


Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Araka ny lalàna, dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy voavela ny fahotana, raha tsy misy ra afafy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra