Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:23 - Baiboly Katolika

23 izay vao namono azy i Môizy, dia naka tamin’ny rany, nanentenany ny tendron-dravintsofin’i Aarôna ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Novonoiny iny, ary nakan’i Mosesy ny ra ka nahosony teo amin’ny ravin-tsofin’i Arona havanana sy tamin’ny ankiben-tanany havanana ary tamin’ny ankiben-tongony havanana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Novonoin’i Mosesy io, ary nangalany ny rany ka nanentenany ny tendron’ny ravin-tsofin’i Aharôna ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Novonoin’i Mosesy io, ary nangalany ny rany ka nanentenany ny tendron’ny ravin-tsofin’i Aharôna ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Dia novonoiny iny; ary nangalan’i Mosesy ny ra ka, natentiny teo amin’ny tendron’ny ravin-tsofin’i Arona ankavanana sy tamin’ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ny ankihiben-tongony ankavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Novonoiny iny, ary nakan’i Mosesy ny ra ka nahosony teo amin’ny ravin-tsofin’i Arona havanana sy tamin’ny ankiben-tanany havanana ary tamin’ny ankiben-tongony havanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:23
18 Rohy Ifampitohizana  

Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.


Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»


Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona fanonerana, dia hanentenany an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.


Ary ny diloilo sisa eo an-tanany, dia hatentiny an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana, dia eo ambonin’ny ran’ny sorona fanonerana.


Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.


Hotentenan’ny mpisorona amin’ny diloilo eo an-tanany ilay midio, dia eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin’izay nasiany ny ran’ny zavatra natao sorona fanonerana.


Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,


Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.


ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.


Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.


mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy:


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.


tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin’inona na amin’inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho, na maty.


Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.


fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.


Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.


dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra