Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 26:30 - Baiboly Katolika

Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manangàna ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 26:30
14 Rohy Ifampitohizana  

«Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»


Jereo ka ataovy araka ny marika aseho anao ao an-tendrombohitra.»


Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»


Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoeran’ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany.


Ataovy hoboka aty, amin’ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy.»


«Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.


Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.


Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy


Ny tranolain’ny fanekena dia tao amin’ny razantsika tany an’efitra, araka ny didin’Ilay nilaza tamin’i Môizy hanao azy araka ny marika efa hitany.


mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.


ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»


Koa raha ny tandindon’ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan’ny zavatra any an-danitra.


Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.