Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.
Eksodosy 25:25 - Baiboly Katolika Hasiana sisiny vody voampelatanana ny manodidina azy, ka asianao tanjo-miolaka volamena manodidina izay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina. DIEM PROTESTANTA Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io. Baiboly Protestanta Malagasy Ary asio sisiny vodivoam-pela-tànana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny. manodidina. Malagasy Bible Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina. La Bible en Malgache Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina. |
Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.
Hanao masom-bolamena efatra ianao ka hapetrakao amin’ny zoron’ny latabatra efatra ireo masom-bolamena ireo, dia amin’ny tongony efatra.
Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.
Nasiany sisiny iray vody voampelatanana manodidina azy, ary io sisiny io nanaovany tanjo-miolaka volamena manodidina.
Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
Izao no refin’ny ôtely amin’ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatanana; ny lakan-drano iray hakiho ny haavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan’ny ôtely.