Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:5 - Baiboly Katolika

5 Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata izy io.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatànana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata* izy io.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Omby 12 no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin’izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin’ny vatany dia tao ampovoany.


Vody voampelatanana no hateviny, sahala amin’ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin’ny lisy ny molony; rano roa arivo bata no laniny.


Nipetraka tambonin’ny omby 12 io ranomasina io; ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana; ny ranomasina nitaingina teo amboniny, ary ny tapa-batany aoriana rehetra, dia tao ampovoany.


Hasiana sisiny vody voampelatanana ny manodidina azy, ka asianao tanjo-miolaka volamena manodidina izay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra