Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Hasiana sisiny vody voampelatanana ny manodidina azy, ka asianao tanjo-miolaka volamena manodidina izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary asio sisiny vodivoam-pela-tànana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny. manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Dia asio tranony manodidina azy, felatanana iray, ary asio sisiny volamena manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:25
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.


Horakofana takela-bolamena madio izany sady hasiana sisiny volamena manodidina.


Hisy haba volamena efatra koa no hotefena, dia hapetraka eo amin’ny zorony efatra, mifanila amin’ny tongony efatra.


Horakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony, ary hasiana sisiny volamena manodidina.


Nasiana fehivavany mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady nasiana sisiny volamena teo ambonin’io fehivava io.


Norakofan’i Betsalela takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena manodidina.


Ireto avy no refin’ny alitara, araka ny fandrefesana fampiasa ankehitriny. Ny halalin’ny tatatra manodidina azy dia dimampolo santimetatra; ny velarany dia dimampolo santimetatra ary ny morony manodidina dia niavo 25 santimetatra. Izao kosa ny amin’ny haavon’ny alitara:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra