Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Eksodosy 25:18 - Baiboly Katolika Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova koa kerobima volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa. DIEM PROTESTANTA Hanefena kerobima roa volamena amin’ny sakany roa eo ambony saron’ny Vatamasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanefena kerobima roa volamena amin’ny sakany roa eo ambony saron’ny Vatamasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ny sakany roa amin’ny rakotra fanaovam-panavotana’ Malagasy Bible Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana La Bible en Malgache Manaova koa kerobima* volamena roa; vongana iray amin’ny rakotra fanaovam-panavotana, eo amin’ny sakany roa, no hanaovanao azy roa. |
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
ny môdelin’ny ôtelin’ny zava-manitra hatao amin’ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny môdelin’ny kalesin’Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh.
Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.
Hanao fanaovam-panavotana amin’ny volamena madio ianao, roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray, ary ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray koa; ny kerobima dia hatao tafahoatra ny fanaovam-panavotana amin’ny laniny roa.
Ho fonjany iray ihany amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: «Mandehana ho ao anelanelan’ny kodiarana, ambanin’ny Kerobima; fenoy vain’afo avy eo anelanelan’ny Kerobima ny tanan-droanao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia nankao izy teo imasoko.
Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’ny Andriamanitr’i Israely, teo amin’ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany.
Nijanona teo ankavananan’ny trano ny Kerobima, raha nankao ilay lehilahy, ka nahafeno ny kianja anatiny ny rahona.
Nisy Kerobim-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin’ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik’izany
Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.