Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.
Eksodosy 22:30 - Baiboly Katolika Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. DIEM PROTESTANTA «Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho olona masina ho Ahy hianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an’ny amboa izany. Malagasy Bible Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany. La Bible en Malgache Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa. |
Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.
dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy.
Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.»
Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo ianareo dia ho masina satria masina Aho; aza mandoto ny tenanareo amin’izay biby rehetra mandady amin’ny tany.
Fa Izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.
Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
«Na omby, na ondry, na osy, raha vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy, fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra, vao hankasitrahina ny hanaterana azy ho sorona hatao amin’ny afo amin’i Iaveh.
Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton’izany. Izaho no Iaveh.
Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran’omby, na ondry, na osy, ianareo.
Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.
Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Atokàny ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,