Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 17:15 - Baiboly Katolika

15 Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 «Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 «Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ny olona rehetra, na tompon-tany na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby, dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy vao hadio.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:15
22 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.»


«Ho olona masina ho ahy ianareo; aza mihinan-kena voaviraviram-biby hita any an-tsaha, fa atsipazo ho an’ny amboa ireny.»


Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.»


Ny biby maty na voaviravira rehetra, na vorona na biby, dia tsy hohanin’ny mpisorona.


«Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Amin’ny biby mandia tongotra efatra, izay mandeha amin’ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-pahariva ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny;


ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo.»


Ireo no ho maloto aminareo amin’ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatin’ireo.


Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona zavatra ampiasaina; ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.


Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan’ny andro,


ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mikasika ny zavatra natao teo ambaniny, haloto mandra-paharivan’ny andro, ary izay mitondra izany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


izay rehetra hikasika ny fandriany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton’izany. Izaho no Iaveh.


Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.


Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.


Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra