Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 22:21 - Baiboly Katolika

«Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty.

Jereo ny toko



Eksodosy 22:21
22 Rohy Ifampitohizana  

Indrisy, latsahanareo harato ity kamboty, ary ihadianareo lavaka ny sakaizanareo hamandrihana azy!


i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.


Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.»


mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.


Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.


raha tsy ampahorînareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,


Ao aminao, ny ray aman-dreniny, tsiratsiraina; ao anatinao, ny vahiny, levilevena; ao aminao ny kamboty ama-mpitondratena, amam-pahoriana.


Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.


Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin’ny taninareo, aza mampahory azy.


Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaòsa tanana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohano izy, mba hivelona eo akaikinao.


aza mampahory ny mpitondratena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo.»


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Tamin’izay koa no nomeko izao didy izao ny mpitsara anareo: Henoy ny rahalahinareo, ka tsarao ara-drariny izay zavatra ifanolanan’izy ireo sy ny rahalahiny samy izy, na izy sy ny vahiny mitoetra aminy.


fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.


Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.


Tsarovy fa efa mba andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, saingy nanafaka anao i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao.


Aoka izy hitoetra eo aminao, eo amin’ny taninao, amin’ny toerana hofidiny, amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay mahafinaritra azy; aza mampahory azy ianao.


Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:


«Aza manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.


Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.