Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany; mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Eksodosy 21:2 - Baiboly Katolika Rehefa hividy mpanompo hebrio ianao, enin-taona no hanompoany, fa amin’ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mandoa na inona na inona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mividy andevo hebreo ianao dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ny taona fahafito kosa dia hiala izy ka ho afaka madiodio. DIEM PROTESTANTA «Raha mividy mpanompo hebreo ianareo, dia ho enin-taona no hanompoany anareo; fa amin’ny taona fahafito dia hivoaka ho olona afaka maimaim-poana izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha mividy mpanompo hebreo ianareo, dia ho enin-taona no hanompoany anareo; fa amin’ny taona fahafito dia hivoaka ho olona afaka maimaim-poana izy. Baiboly Protestanta Malagasy Raha mividy andevo Hebreo hianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ny taona iahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy. Malagasy Bible Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy. La Bible en Malgache Raha mividy andevo hebreo ianao dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ny taona fahafito kosa dia hiala izy ka ho afaka madiodio. |
Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany; mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Ka hoy i Esao: «Noho ny nanaovana azy hoe Jakôba va no nanongonany ahy indroa izao? Efa naka ny fizokiako izy, ary inty indray ankehitriny, naka ny tso-dranoko koa.» Dia hoy koa izy: «Tsy mba misy tso-drano natokanao ho ahy va?»
Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»
dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.
Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; raha niaraka tamim-bady izy dia hiara-miala aminy koa ny vadiny.
Raha misy lehilahy mivaro-janaka vavy ho mpanompon’olona dia tsy mba ho toy ny andevolahy ny fahafahany,
fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;
Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin’ny taona Jobily izy mbamin’ny zanany miaraka aminy.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.
Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizy lahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman’ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra hataonao.
Ary nomeny izao didy izao izy: «Aorian’ny isam-pito taona amin’ny fotoan’ny taom-panafahana, amin’ny fetin’ny Tabernakla,