Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:7 - Baiboly Katolika

Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary tonga hitsena ny rafozany i Mosesy dia niankohoka sady nanoroka azy. Nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary tonga hitsena ny rafozany i Mosesy dia niankohoka sady nanoroka azy. Nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.

Jereo ny toko



Eksodosy 18:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.


Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy,


Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe:


Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,


Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy ianao.


Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.


Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.


dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.


Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.


Dia nankany amin’i Salômôna mpanjaka, i Betsabea, hilaza aminy ny amin’i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an’ny renin’ny mpanjaka, ka nipetraka teo ankavanany ravehivavy.


Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.


ka nampilaza tamin’i Môizy hoe: «Tonga atỳ aminao aho, izaho Jetrô rafozanao mbamin’ny vadinao sy ny zanany roalahy miaraka aminy.»


Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.


Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.


Nony ren’i Balàka fa tamy i Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin’ny tanàna Moaba eo amin’ny faritra Arnôna, any amin’ny sisin-tany indrindra. Hoy i Balàka tamin’i Balaama:


Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.


Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,


Vao nandre anay tonga ny tao an-tanàna, dia tamy nitsena anay hatrany an-tsenan’i Apiosa sy Tranombahinitelo. Nony nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo toky erỳ.


Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.


Ento koa ireto frômazy folo ireto, ho an’ny mpifehy arivony. Dia hamangy ny rahalahinao ianao, hizahanao raha tsara ihany izy, ary mitondrà famantarana avy any aminy.


Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.