Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,
Eksodosy 15:15 - Baiboly Katolika Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana. DIEM PROTESTANTA raiki-tahotra ireo lehiben’i Edôma ary mangovitra ireo andriandahin’i Môaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara raiki-tahotra ireo lehiben’i Edôma ary mangovitra ireo andriandahin’i Môaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahàna. Baiboly Protestanta Malagasy Toran-kovitra ny loham-pirenen’i Edoma; Azon-korohoro ny lehilahy maherin’i Moaba; Reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana. Malagasy Bible Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana. La Bible en Malgache toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana. |
Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,
i Kôre loham-pirenena, i Gathama loham-pirenena, i Amaleka loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Elifaza amin’i Edôma. Zanak’i Adà ireo.
Izao no anaran’ny loham-pirenena amin’ny taranak’i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà loham-pirenena, Alvà loham-pirenena, Jetela loham-pirenena,
Ary amin’izay dia ho rera-po na izay mahery indrindra aza, na dia manana fo tahaka ny fon-diona aza izy, satria fantatr’i Israely rehetra fa irainao, lehilahy mahery fo indrindra, ny olona manaraka azy koa lehilahy mahery.
Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony, ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.
Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.
Teny mamely an’i Damasa. Very hevitra i Hamata sy i Arfada, fa nandre filazàn-doza izy, ka nivarahontsaky ny tahotra, mova tsy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony.
Ry zanak’olona, atodiho mankany Jerosalema ny tananao; ary ataovy mijojo mankamin’ny fitoerana masina ny teninao; ary manaova faminaniana manohitra ny tanin’i Israely;
Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.
Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
Omeo teny ny vahoaka ataovy hoe: Hamaky ny tanin’ny rahalahinareo ianareo izao, dia ny taranak’i Esao, izay monina any Seira. Hatahotra anareo izy;
Mbola hiteny amin’ny vahoaka ny manamboninahitra ka hilaza aminy hoe: Iza no matahotra ary iza no rera-po? Aoka izy hiala ka hody any aminy, mba tsy ho ketraka toy ny azy koa, ny fon’ny rahalahiny.
Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitro;
Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin’ny fiavianareo, satria i Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin’ny lanitra ary etỳ ambany amin’ny tany.
Tonga tany amin’i Jôsoe zanak’i Nona izy, dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy.
«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.
Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.
Tazan’ny mpitilin’i Saola izay tao Gabaàn’i Benjamina, ny ielezany sy ifanaritahan’ny vahoaka be tamin’ny Filistinina.