Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 15:15 - DIEM PROTESTANTA

15 raiki-tahotra ireo lehiben’i Edôma ary mangovitra ireo andriandahin’i Môaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 raiki-tahotra ireo lehiben’i Edôma ary mangovitra ireo andriandahin’i Môaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Toran-kovitra ny loham-pirenen’i Edoma; Azon-korohoro ny lehilahy maherin’i Moaba; Reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 15:15
24 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy no filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao. Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin’i Elifaza lahimatoan’i Hesao, dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Kenaza,


i Kôra sy i Gahetama ary i Hamalèka; tao amin’ny faritr’i Edôma ireo ary zafikelin’i Hadà.


Ireto no anaran’ireo filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao, araka ny isan-tarika sy ny toerany avy:


Koa na dia izay be herimpo indrindra toy ny liona aza dia hivalaketraka, satria fantatry ny Israelita rehetra fa kalaza ny rainao ary mahery fo ireo tafaraka aminy.


Indreny mpanjaka mivorivory, dia miara-mandroso hamely an’i Tsiôna;


Hirotsaka hamely anie Andriamanitra ka ny fahavalony dia hiparitaka, ny mpankahala handositra lavitra Azy!


Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketraka ny fon’ny olona rehetra.


Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.


Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.


–Ry ilay taranak’olombelona, atodiho mankany Jerosalema ny fijerinao, ka mitenena miantefa amin’ny Toeramasiny, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny tanin’i Israely.


Aoka hobaboina ny volafotsy sy ny volamena fa tsy mety ritra ny hareny, dia ireo zava-tsarobidy miavosa!


Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.


Hitako ny fahorian’ireo vahoakan’i Kosàna sy ny horohoron’ireo mponin’i Midiàna.


Koa izao no baiko homenao ny vahoaka: ‹Efa tomorinareo ny tanin’ny taranak’i Hesao havanareo izay eo amin’ny faritr’i Sehîra. Atahorany ianareo; nefa mitandrema tsara


Dia mbola hiteny amin’ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany.»


Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro.


Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy etỳ an-tany ambany.


Ary nitantarany ny zavatra rehetra nitranga i Josoa


ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.


Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.


Tazan’ny mpitilin’i Saoly, avy tao Gibehàn’i Benjamîna, ny vahoaka filistinina nifanaritaka izaitsizy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra